AMUL: Fiofanana Joomla!
Posted October 14th, 2009 by hery
in
Araka ny re dia hampanao fiofanana mampiasa ny fitaovana CMS Joomla! ny Amul na ny Association Malgache des Utilisateurs de Logiciels Libres et Linux amin'ny 19 ka hatramin'ny 23 oktobra izao.
Eny amin'ny LabTic AMUL Ankatso no anaovana izany ary 100.000 Ar no fandraisana anjara. Azo jerena ao amin'ny http://amul.phpgasy.com ny fanazavana fanampiny.
Tsy tiako be izany fa
Tsy tiako be izany fa manararaotra. Installation sy template fotsiny ve rangaha dia ohatra an'io ny vidiny. Farafharatsiny mba misy developpement-ana extension kely.
Izaho aloha tsy dia
Izaho aloha tsy dia mahafantatra firy hoe inona ny ampianarina ao, fa raha hoe resaka Logiciels Libres sy Linux izany dia tokony ho hita taratra ny fifampizarana fahalalana sy trai-kefa, tsy dia hoe "gratos" loatra fa lafo loatra kosa raha io.
=========
e-space
Farafangana
Mba asaivo manao tatitra
Mba asaivo manao tatitra rangah le nampanao le formation ah!
Vinanavina ny ahy ty an :
>> le fiofanana zao am teny frantsay => Mamaky Doc Joomla fotsiny.
>> ny vidiny 100.000 Ar => lafo loatra (na ny vidina connexion internet itadiavana formation sy doc ar mety mbol ho mora ny vidiny)
Mbola mora lavitra mihitsy
Mbola mora lavitra mihitsy ry akama ah, aleo koa angamba izany avalona any sao lazain'ny olona hoe manangana troll (na mouvance) anti-AMUL eto.
e-space
Farafangana