OS BarrelFish
Posted September 29th, 2009 by RTN
in
Efa manomboka miketsika sahady ny aorinan'ny windows 7 sahady i Microsoft.
OS BarrelFish no kaodin'ilay laminasa.
Io ange ny mahavoa an-dry M$
Io ange ny mahavoa an-dry M$ e, izany ve de ho matotra, ny eo mbola tsy hita hoe hanao ahoana? de hanenjika ny manaraka sahady, tsy midika ve izany fa misy tsy miady sahady ao anatin'io Win 7 io?
Raha misy zava-baovao azo ketrehina any, maninona tsy atambatra amin'io Win 7 io hahamanjamanja azy ?
Dia tahatahak'izay koa ny adin'i Canonical, mbola tsy mivoaka akory izao ny kinova 9.10 ho an'ny Ubuntu dia efa manangasanga any indray ny kinova 10.04 dia toy izay foana. Tena hita mihitsy hoe tsy ny lafiny teknika no tena imasoana fa ny fitiavam-bola sy ny filana laza. Sa amin'izay ve hatao hoe matihanina? Asa ...
e-space
Farafangana
1 taona izay no nampiasako
1 taona izay no nampiasako win 7 (Beta, RC, RTM) ary mbola mahafa-po ahy izy hatreto (na dia version Beta az).
Tonga koa ity ny 10/22, nivoaka tam fomba ofisialy i 7. Ho hitantsika eo ny fandehany ....
Betsaka ny zava-baovao entin'i 7 kah!
Ny ahy ilay vista mbola
Ny ahy ilay vista mbola akafiziko tsara k'ity. Tsy handany vola amin'ny win 7 izany raha izaho.
Somary mahagaga ahy ihany ny
Somary mahagaga ahy ihany ny filazana etsy sy eroa indrindra fa eto amin'ny aterineto hoe : ratsy Vista e, fiasco e, sns ...
Kanefa hatramin'ny nivoahan'izy io dia mampiasa azy ity aho amina Laptop Dell Inspiron, ary efa taona maromaro izay fa tsy dia hitako loatra ny olana aminy, ekeko fa misy ihany ny indrokelin'ny mpandrafitra indraindray fa voavaha foana io.
Ny zavatra tsapako, ahy samirery ity ary azonareo rehetra disoina, dia variana manenjika be an'i Linux i M$ ka lasa very matetika ao amin'ny Vista ny maha Windows azy, dia io fiovana io no lazain'ny sasany hoe tsy fahombiazana.
e-space
Farafangana